Luke 11

1Dia izao no nitranga rehefa nivavaka tao amin’ ny toerana iray Jesosy, nisy iray tamin’ireo mpianany niteny taminy hoe: “Tompo, mba hampianaro mivavaka izahay toy ny nampianaran’i Jaona ireo mpianany.”

2Hoy Jesosy tamin’izy ireo hoe: “Rehefa mivavaka ianareo dia teneno hoe: ‘Ray o, ho hamasinina anie ny anaranao. Ho tonga anie ny fanjakanao.

3Omeo anay ny haninay isan’andro. 4Avelao ny fahotanay, tahaka ny namelanay izay meloka taminay. Aza mitondra anay ho any amin’ ny fakam-panahy.”’

5Jesosy niteny tamin’izy ireo hoe: “Iza aminareo no hanana namana, ary handeha ho any aminy amin’ny misasakalina, ary hanao aminy hoe: ‘Ry namana, mba ampidramo mofo telo aho, 6fa misy namako iray vao tonga avy lavitra, ary tsy manana na inona na inona haroso azy aho.’ 7Ary mety hamaly azy ny iray tao an-trano ka hanao hoe: ‘Aza manelingelina ahy.’ Efa mihidy ny varavarana, ary ny zanako, efa eo ampandrina, miaraka amiko. Tsy afaka mitsangana aho hanome mofo anao.’ 8Milaza aminareo Aho, fa na dia tsy mitsangana sy manome mofo anareo aza izy satria namany ianareo, dia nohon’ny fikirizanareo tsy misy henatra, dia hitsangana izy ary hanome anareo ny mofo rehetra izay ilainareo.

9Mbola milaza aminareo koa aho, Mangataha, dia homena anareo izany; mitadiava, dia hahita ianareo; dondomy, dia ho vohana ianareo. 10Fa ny olona rehtetra izay mangataka dia mahazo, ary izay mitady dia mahita; ary izay olona mandodona, dia ho vohana.

11Iza aminareo raim-pianakavina ireo no, raha mangataka trondro ny zanakareo, dia hanome azy bibilava fa tsy trondro? [Fanamarihana: Ireo fandikana tsara indrindra misy vaki-teny fohy kokoa, izay arahintsika eto. Ny fandikana taloha sasany dia misy vakin-teny lavalava kokoa, izay hita ao amin’ny Matio 7: 9 ihany koa: “Raim-pianakaviana iza aminareo, raha mangataka mofo ny zanakareo, no hanome azy vato? Na trondro, dia hanome azy bibilava?”] 12Na raha mangataka atody izy, dia homenareo maingoka ve izy? 13Noho izany, raha ianareo ratsy fanahy aza mahay manome fanomezana tsara ho an’ny zanakareo, dia ohatrin’ny ahoana ny halehiben’ny Fanahy Masina homen’ny rainareo izay any an-danitra ho an’ireo izay mangataka aminy?”

14Ary Jesosy nandroaka demonia moana. Rehefa nivoka ilay demonia, dia lasa nahay niteny ilay lehilahy izay moana, ary dia gaga ny vahoaka. 15Fa ny olona sasany nilaza fa: “Amin’ny alalan’i Belzeboba, izay mpitarika ny demonia, no androahany demonia.”

16Ny sasany nitsapa Azy ary nitady famantarana avy any an-danitra taminy. 17Nefa fantatr’i Jesosy izay tao an-tsain’izy ireo ka niteny tamin’izy ireo Izy hoe: “ireo fanjakana rehetra izay mizarazara dia ho rava, ary ny trano izay mizarazara dia hirodana.”

18Koa raha miady an-trano ary Satana, ahoana no hampaharitra ny fanjakany? Fa hoy ianareo hoe mandroaka demonia amin’ny alalan’i Belzeboba Aho. 19Fa raha mandroaka demonia amin’ny alalan’i Belzeboba ary Aho, amin’ny alalan’iza kosa no androahan’ny mpanara-dia anareo azy? Noho izany, dia izy ireo no hitsara anareo. 20Fa raha mandroaka ny demonia amin’ny alalan’ny ratsan-tananan’ Andriamanitra Aho, dia tonga aminareo ny fanjakan’ Andriamanitra.

21Rehefa ampy fitaovana tsara ny lehilahy mahery iray miandry ny tranony, dia voaaro ny hareny, 22nefa kosa raha mahery noho izy ny lehilahy iray ka mandresy azy, dia alain’ilay lehilahy mahery kokoa amin’ilay lehilahy ny fiadiana, ary ho robainy ny fananan’ilay lehilahy. 23Izay tsy miaraka amiko dia manohitra Ahy, ary izay tsy miangona miaraka amiko dia misaraka.

24Rehefa miala amin’ny olona iray ny fanahy ratsy, dia lasa izy mamakivaky toerana tsy misy rano ary mitady fitsaharana. Ary rehefa tsy mahita, dia hoy izy hoe: ‘Andeha hiverina any amin’ny trano niaviako aho.’ 25Rehefa tafaverina, izy dia mahita izany trano izany voadio sy voalamina. 26Avy eo dia lasa izy ary maka fanahy hafa ratsy mihoatra ny tenany miisa fito miaraka aminy izy ary dia miditra mba hitoetra ao izy rehetra. Ka ratsy kokoa noho ilay voalohany ny fiafaran’ny izany olona izany.”

27Ary raha niteny ireo zavatra ireo Izy, dia nisy vehivavy iray nanandratra ny feony tao anaty vahoaka ary nanao taminy hoe: “Sambatra ny kibo izay niteraka Anao sy ny nono izay ninonoanao.” 28Fa hoy kosa Izy hoe: “Sambatra, kokoa aza, ireo izay mihaino ny tenin’Andriamanitra sy mihazona izany.”

29Ary raha mbola mitombo ny vahoaka, dia nanomboka niteny Jesosy hoe: “Ity taranaka ity dia taranaka ratsy. Mitady famantarana izy, nefa tsy hisy famantarana aseho azy afa-tsy ny famantaran’i Jona. 30Fa tahaka ny nahatonga an’i Jona ho famantarana tamin’ireo Ninivita, toy izany koa dia ho famantarana ny Zanak’Olona amin’ity taranaka ity.

31Ny Mpanjaka vavin’ny Atsimo dia hitsangana amin’ny fitsarana miaraka amin’ireo lehilahy amin’ity taranaka ity ka hanameloka azy ireo, fa tonga avy any amin’ny faran’ny tany izy mba hiaino ny fahendren’i Solomona, ary indro, eto ny olona lehibe noho Solomona.

32Ny lehilahin’i Ninive dia hiara hitsangana amin’ity taranaka ity amin’ny fitsarana ary hanameloka azy, satria nibebaka tamin’ny nitorian’i Jona izy ireo, ary indro, misy olona lehibe noho Jona eto.

33Tsy misy olona iray, raha avy nandrehitra Jiro, dia mametraka izany amin’ny toerana takona na ao ambanin’ny harona, fa atao eo amin’ny fitoeran-jiro, mba ho hitan’izay miditra ny hazavana. 34Ny masonao no jiron’ny vatana. Rehefa tsara ny masonao, dia rakotra hazavana ny tena rehetra. Fa raha ratsy kosa ny masonao, dia feno haizina ny tenanao. 35Noho izany, mitandrema ianareo mba tsy ho maizina ny hazavana ao aminareo. 36Ary, raha feno hazavana ary ny tenanao rehetra, ka tsy misy ampahan’izany ao anaty haizina, dia ho tahaka ny jiro izay mampamiratra ny hazavany eo aminao ny tenanao manontolo.

37Rehefa vita ny resany, dia nisy Fariseo nanasa azy hiara-hisakafo aminy any an tranony, dia niditra Jesosy ka nipetraka. 38Gaga ilay fariseo fa tsy nisasa aloha Jesosy alohan’ny hihinana.

39Fa hoy ny Tompo taminy hoe: “Ankehitriny, Ianareo Fariseo, dia manadio ny ivelan’ny kaopy sy ny lovia, nefa ny ao anatinareo dia feno rombaka sy faharatsiana.” 40Ianareo ry kely saina! Tsy nanao izay ao anatiny ihany koa ve izay nanao ny ivelany? 41Omeo ny mahantra izay ao anatiny, dia ho madio ho anareo avokoa ny zavatra rehetra.

42Fa loza ho anareo ry Fariseo, satria mandoa ny ampahafolon’ny solila sy ny rota ary ny hazo hafa eny an-tsaha ianareo, nefa tsy norarahinareo ny fahamarinana sy ny fitiavan’Andriamanitra. Ilaina ny manao ny marina sy mitia an’Andriamanitra, no sady tsy manadino ny manao ireo zavatra hafa ihany koa.

43Loza ho anareo ry Fariseo, fa tianareo ny toerana voalohany eny amin’ny synagoga sy ny fiarahabana feno fanajana anareo eny an tsena. 44Loza ho anareo, fa ianareo dia tahaka ny fasana tsy misy famantarana izay hitsahin’ny olona fa tsy fantany izany.

45Ny iray tamin’ireo mpampianatra lalàna niteny taminy hoe: “Mpampianatra o, izany lazainao izany dia maniratsira anay koa.” 46Jesosy niteny hoe: “Loza ho anareo, ry mpampiana-dalàna! Fa mampitondra enta-mavesatra tsy zakan’ny olona ianareo, nefa tsy mikasika izany enta-mavesatra izany akory na dia ny ratsan-tananareo iray aza.

47Loza ho anareo, satria manorina fasana ho an’ireo mpaminany ianareo, nefa ny razambenareo no namono azy ireo. 48Koa vavolombelona ary manaiky ny asan’ny razanareo ianareo, fa namono azy ireo tokoa izy ireo ary ianareo no manorina ny fasany.

49Noho izany ihany koa, no nanambaran’ny fahendren’Andriamanitra hoe: ‘Handefa mpaminany sy apostoly amin’izy ireo Aho, ary izy ireo hamono sy hanenjika ny sasany amin’izy ireo.” 50Ity taranaka ity, izany, no ho tompon’andraikitra amin’ny ràn’ireo mpaminany rehetra nilatsaka hatramin’ny naharian’izao tontolo izao, 51nanomboka teo amin’ny ràn’i Abela ka hatramin’ny ràn’i Zakaria, izay novonoina teo anelanelan’ny alitara sy ny fitoerana masina. Eny, lazaiko marina aminareo, fa ity taranaka ity no ho tompon’antoka.

52Loza ho anareo ry mpampianatra ny lalàn’ny Jiosy, satria nalainareo ny fanalahidin’ny fahalalana; tsy miditra ao ny tenanareo, ary sakananareo ireo izay miditra.”

53Taorian’ny nialan’i Jesosy teo, dia nanohitra Azy ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo ary niady hevitra taminy mahakasika ny zavatra maro, sady niezaka ny hamandrika Azy tamin’ny teniny ihany.

54

Copyright information for PltULB